TwitterFacebook

Categorie: PEJY MALAGASY

FOULPOINTE : TRANO MAHERIN’NY 90 RINGAN’NY AFO

Nandravarava ny lelafo tany Foulpointe, omaly maraina. Trano 92 no lasa lavenona niaraka tamin’ireo entana rehetra tao aminy. Tafakatra 200 tapitrisa ariary ny tomban’ny fahavoazana Mihoa-pampana ny fahavoazana taorian’ilay hain-trano tany Foulpointe, Toamasina, omaly vao maraimbe. Trano nahatratra 92 isa no kila hotohoton’ny afo, fananana amina lavitrisa ariary no lasa lavenona ary olona an-jatony no…

Lire la suite

FANDOTOANA AN-DRAVALOMANANA : TRATRA TAO AMIN’NY TOBIN’NY TAKSIBOROSY TANY ANTSIRABE IREO PETA-DRINDRINA SANDOKA

Tra-tehaka tao amin’ny tobin’ny taksiborosy ao Vatofotsy, Antsirabe, omaly, ireo fitaovana izay nokasaina hanakorontanana saim-bahoaka mandritra izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao. Peta-drindrina an-jatony izay nafatratra tao anaty baoritra avy aty Antananarivo ka nalefa taksiborosy ary nokendrena haparitaka ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra izy ireo. Tsaho momba ny filazana fa fanohanan’ny Filoham-pirenena telo aloha ny kandida Ravalomanana moa izany.…

Lire la suite

FANAFIHANA ENY AMIN’NY LALAM-PIRENENA : NOTAFIHIN’NY DAHALO NY DEPIOTEN’I TSIROANOMANDIDY

Teny am-pitaingenana “moto”, teo Boribepoka, fokontany iray any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, no notafihina andian-jiolahy nirongo basy ny solombavambahoaka any an-toerana, ny talata alina teo. Izy sy ny mpiara-miasa aminy, izay samy nitondra “moto” iray avy no niharan’izany. Nanaovan’ireo andian-jiolahy tambabe izy roalahy ka naratra ilay mpiara-miasa amin’ilay depiote ary nofaohan’ireo olon-dratsy ihany koa ireo “moto”.…

Lire la suite