TwitterFacebook

Categorie: PEJY MALAGASY

MAMAMBA AMBOHIBAO : NAJOBOKA TAO ANATY RANO ILAY FIARA NIREHITRA NITONDRA MPANAMBADY

Loza no nanjo ireo mpanambady izay avy nanamasina ny mariaziny ary nikasa ny hihazo ny toeram-pilanonana teny Ambohibao, tamin’ny sabotsy teo. Teo am-pamakivakiana ilay araben’i Mamamba mihitsy mantsy ny fiarakodia nitondra azy ireo no nidonaka ary avy hatrany dia nisy lelafo niredareda nivoaka teo aloha. Ny hany fihetsik’ilay mpamily sy ireo lehilahy tao anaty fiara…

Lire la suite

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : TSY MANKASITRAKA KORONTANA IREO SEFOM-POKONTANY 192 ISA

Niombo-kevitra amin’ny fitsipahana famoriam-bahoaka mety hiteraka savorovoro ireo filoham-pokontany rehetra mandrafitra an’Antananarivo renivohitra, omaly. Nanentana ny vahoaka izy ireo araka izany mba hitandro ny ainy sy ny fananany amin’ny alalan’ny fijanonana any an-tokantranony avy fa tsy hikorontana eny Analakely Namoaka fanambarana taorian’ny dinidinika nifanaovan’izy ireo teny Antanimena ireo filoham-pokontany 192 isa mandrafitra an’Antananarivo renivohitra, omaly…

Lire la suite

MANDRAKA : FIARA VAVENTY NITSORAKA TANY ANATY HANTSANA

Torimaso fotsy. Izany no vokatry ny fanadihadiana nataon’ireo Zandary ho anton’ilay lozam-piarakodia mahatsiravina, teny Mandraka, omaly maraina tamin’ny 2 ora sy sasany. Fiara vaventy nitondra “conteneur” mantsy no avy hatrany dia nanao hitsin-dàlana teo amin’ilay fiolanana “S” teo Mandraka ka olona 2 no maty tsy tra-drano. “Avy hatrany dia nitsotsorika avy any ambony ilay kamiao…

Lire la suite