TwitterFacebook

VONO OLONA TENY AMBOHITRARAHABA : ANKIZY 15 SY 13 TAONA NO NAHAVITA NANAPA-DOHA ILAY ZAZA LAHY KELY

Ankizy tsy ampy taona ireo nahavanon-doza ka namono nahafaty zazalahikely 12 taona teny Ambohitrarahaba afak’omaly. Miatrika famotorana izy ireo ankehitriny.
Namparikoditra ny zava-nisy teny Ambodivary Ambohitrarahaba, afak’omaly hariva. Ankizy tsy ampy taona sy mbola voatavo tsy mifandraka no ahiana ho nanao habibiana tamin’ny ankizy mitovy taona amin’izy ireo. Izany no vaovao voaray avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, omaly.
“Ankizivavy 15 taona sy ankizilahy 13 taona no ataon’ny mpitandro ny filaminana famotorana ankehitriny. Ahiana ho namono nahafaty ilay zazalahy 12 taona tamin’ny fomba feno habibiana izy ireo ary nitondra nitsoaka ilay zandriny vavy kely 6 taona ihany koa”, araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena hatrany.
Voalaza fa mpanampy an-tranon’ny ray aman-drenin’ireo zaza niharan-doza ity ankizivavy 15 taona, saingy nisy ny tsy fifanarahana ka voatery nalàna tamin’ny asany ity farany. Nilaza ny tomponandraikitry ny serasera avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny commandant Andrianarisaona Herilalatiana fa olana ara-pahasalamana no nihavian’ity asa famonoan’olona ity.
“Tsikaritry ny mpampiasa azy ho nikohaka be io mpanampy io ka nanahy ireo ray aman-dreny sao voan’ny pesta. Natsahatra tamin’ny asany vokatr’izany ilay ankizivavy tamin’ny alahady teo”, hoy ny commandant Andrianarisaona Herilalatiana.
Etsy an-daniny anefa ny “quartier-mobile” samy nitantara fa nanomboka tamin’ny fahaverezana vola tao an-trano ny olana teo amin’ilay ankizivavy sy ireo mpampiasa azy. Fantatra mantsy fa vao nahalafo fiara ireo tompon-trano ka voatondro ho nandrimbina tamin’ny vidin’izany ilay mpanampy.
“Nampirimin’ireo lehibe tao an-trano moa ireo vola talohan’ny saika hametrahana izany any amin’ny banky, ka nangalan’ity ankizivavy ity. Saingy fantatra fa efa nifona izy ary efa nilamina ny tantara”, hoy ny fitantaran’ny ilay “quartier-mobile” iray ao Ambodivary.
Vola an-tapitrisany
Araka ny ampahan’ny valin’ny famotoran’ireo mpitandro ny filaminana moa dia voaporofo ho nangalatra ny volan’ireo tompon-trano ihany ireto ankizy tsy ampy taona ireto, ny andron’ny namonoany ilay zazalahy 12 taona. Fantatra fa mbola tratra teny amin’ireo ankizy nahavanon-doza ny vola mitentina 12,4 tapitrisa ariary sy vola vahiny 24 000 dolara. Nanamarika ny commandant Andrianarisaona Herilalatiana fa teo imason’ny ray aman-dreniny avy no nahatratrarana ireo ankizy ireo. Ho fanampin’izany dia, nilaza ho naka tahaka ny fizotran’ny sarimihetsika ireto ankizy ireto tamin’ny fomba famonoana ilay zazalahy 12 taona.
Marihina moa fa tsy mpiray tampo ireo ankizy voalaza ho nahavanon-doza ireo, saingy ankoatra ny maha mpanampy an-trano ilay ankizivavy dia, fantatra fa mpiara-milalao amin’izy mianady izy ireo. Loharanom-baovao avy any Ambohitrarahaba moa no nahafantarana fa omaly antoandro no tonga teny an-tranony ny vata-mangatsiakan’ilay zazalahy 12 taona, ary ilay zandriny kosa dia afak’omaly hariva no efa hita teny Anosiala Ambohidratrimo.

Prisca Ranjalahy

1 commentaire

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis