TwitterFacebook

VAVATENINA : ROALAHY TRATRA NIARAKA TAMIN’NY VOLA SANDOKA 3,8 HETSY ARIARY

Mahita hirika hatrany ireo mpanao hosoka. Saron’ny polisy tany Vavatenina nitondra vola sandoka nahatratra 3,8 hetsy ariary ny lehilahy roa, afak’omaly. Voalazan’ny mpitandro ny filaminana fa nikasa ny hanaparitaka sy hanakalo ireo vola hosoka ireo izy roalahy no voasava tampoka ka noraisim-potsiny. Iray alina ariary sandoka miisa 38 araka izany no tratra tany anaty kitapon’izy ireo. Avy hatrany dia nanomboka ny famotorana azy ireo ny polisy.

1 commentaire

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis