TwitterFacebook

VAKY TRANO SY VONO OLONA TENY AMBATOBE : NAMALY IREO TSAHO MIELY I MAURICE TSIHIAVONANA

Nitondra fanazavana manoloana ireo lazainy fa fanasoketana atao aminy mahakasika ny nahafatesan’ny mpamiliny tao an-tranony i Maurice Tsihiavonana, omaly. Notantarainy hatramin’ny antony natorian’io olona io tao aminy sy ny halalin’ny fifandraisan’izy ireo.

Iray volana taty aorian’ny nisehoan’ilay vaky trano niaraka tamin’ny vono olona teny Ambatobe dia nivoaka tamin’ny fahanginany i Maurice Tsihiavonana, tompon’ny trano voaroba. Namaly ireo tsaho sy lainga afafy mandeha amin’ireo karazana fitaovan-tserasera izy, omaly.
“Diso avokoa ireo fanasoketana atao amiko sy ny fianakaviako, momba ny nahafatesan’ny mpamilinay tato an-trano. Maro ireo porofo anohanako izany”, hoy Maurice Tsihiavonana.
Efa niparitaka nanerana ireo onjam-peo sy tambajotra sosialy mantsy ny fanehoan-kevitra sy ny fiheveran’ny zanak’ilay mpamily maty ho fizotry ny tranga tao Ambatobe. Ity farany izay nanondro an’ilay mpanao gazety ho tompon’antoka tamin’ny nahafatesan’ny rainy. Saingy nilaza i Maurice Tsihiavonana fa “efa isam-pianakaviana ity mpamily ity ary niara-niasa nandritra ny 30 taona aminy”.
“Ahoana no hahafahako mibata ireo entana ato an-tranoko ary mitsambikina amin’ny tamboho mirefy maherin’ny roa metatra? Sa ve ireo mpitandro ny filaminana mpiambina ato an-trano sy ilay sivily manampy azy ireo no naira-nanatanteraka izany tamiko?”, hoy izy.

FILAMINANA

Nolazainy mantsy fa ny mpanampy an-trano no namoha azy mivady ny marainan’ny alahady 13 mey. Ny trano efa vaky sy ilay mpamily izay noheverin’izy ireo ho natory maty tao an-trano fandraisam-bahiny no niantsoan’ ireo zandary mpiambina azy ireo tany amin’ny rihana ambony. Voalaza àry fa ireo mpitandro ny filaminana ireo no nitsapa ilay mpamily ary nanamarina fa efa tsy nisy aina intsony izy.
“Teo no nampandre ny mpitandro ny filaminana izahay. Ary ny mpitsabo avy eo anivon’ny BMH no nanadio ny rà sy ny ratra hita taminy”, hoy ilay mpanao gazety.
Nitondra fanazavàna ny amin’ny anton’ny natorian’ity mpamily ity tao an-tokantranony ihany koa i Maurice Tsihiavonana. Ankoatra ny maha akaiky azy ao amin’ny ankohonany dia, nolazainy fa manana olana ara-pianakaviana ilay rangahy. Ny fitadiavana trano nonenana noho ny fifandraisany sarotra teo amin’ireo zanany sy ny zana-badiny no notantarainy fa antony nangatahan’ilay mpamily natory tao aminy. Marihina moa fa nilaza ny hitory an’ity mpanao gazety ity ny zanak’ilay maty, ka ny famonoana an-drainy no mandrafitra izany.

1 commentaire

  1. read more Repondre

    I simply want to tell you that I’m very new to blogging and site-building and definitely enjoyed you’re page. More than likely I’m want to bookmark your blog . You really have superb stories. Thanks a lot for sharing with us your blog.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis