TwitterFacebook

TSIROANOMANDIDY : SPRINTER NIVADIBADIKA NAMONO OLONA EFATRA

Nitrosona ary nitsimbadika niankavia ilay taksiborosy Sprinter ka namono mpandeha 4 ary nandratra 9 hafa. Tsy fihetezana teo amin’ny familiana sy ny hisatra no voalaza fa anton’ny loza.

Olana ara-teknika. Izany no voalaza fa anton’ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona efatra omaly tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, teny Tsiroanomandidy. Nilaza ho tsy nahafehy ny familiana ilay nanamory ny fiarakodia ka dia nihovitrovitra ilay takisborosy Sprinter ary avy hatrany dia nitrosona tamin’ny arabe ary nidaboka teo amin’ny valahany.

“Tsy tàna ny ain’ireo mpandeha 4 ary 9 hafa kosa naratra mafy. Olona nipetraka tany amin’ny ilany havanan’ilay fiara avokoa ireo voatsindry ireo”, araka ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Simba tanteraka ilay fiarakodia. Nikaperotra ny riran’ny fiara havia, niala hatramin’ny fitoeran’entana ary potika ihany koa ny tafo. Nanampy trotraka ny fahavakisan’ireo fitaratry ny varavarankely ary antony namparatra ireo mpandeha sasany izany. Tafatodika tany Tsiroanomandidy mihitsy aza ny lohan’ilay Sprinter noho ny dona mafy nahazo azy.

Loharanom-baovao hafa any an-toerana moa no nilaza fa anton’ny loza ihany koa ny fandehanan’ilay fiara mafy kanefa nidim-pidinana ary niomana ny nanakatra ilay fiakarana, saingy nosomparan’ny fiholanana. Fantatra mantsy fa teo anelanelan’ny fidinana sy fiakarana no tsy nahafehy ny familiana sy ny hisatra ny mpamily, ka avy hatrany dia nidaraboka ilay Sprinter. Ity farany izay ratra maivana teo amin’ny tratra no azony.

Fiara tsy ara-dalàna?

Naha be resaka tamin’ireo mponin’i Tsiroanomandidy moa ny ora nialan’ity taksiborosy ity tao an-tampon-tanàna. Tao ireo nilaza fa niala ny fanaraha-amso (PR) ataon’ireo mpitandro ny filaminana eo am-pivoahana ny tanàna no anton’izany. Fantatra mantsy fa vao herinandro izao no niasan’ity fiara ity amin’ny maha taksiborosy azy. Laharana vita vahiny moa no hita teny amin’ity fiarakodia ity omaly antoandro, taorian’ny fizahana nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Nanantitra kosa anefa ny kaomisera iray any an-toerana fa ara-dalàna ilay Sprinter ary manana laharana vita eto an-toerana.

“Ety am-pelatànanay mihitsy ny taratasy rehetra momba io fiarakodia io. Mety nesorin’ny tompony ilay takelaka nisy ny laharana malagasy ”, hoy hatrany ny valiteny voaray avy any Tsiroanomandidy.
Tsy voalohany izao no nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Tsiroanomandidy, ary matetika nahafatesana olona hatrany izany.

Prisca Ranjalahy

5 commentaires

  1. interactive games Repondre

    I want to express some appreciation to this writer for rescuing me from such a matter. Just after looking out through the world wide web and meeting tips which are not pleasant, I thought my entire life was done. Existing without the strategies to the issues you have sorted out through this report is a critical case, and ones which might have in a wrong way damaged my entire career if I had not noticed the website. Your natural talent and kindness in playing with all the stuff was useful. I’m not sure what I would’ve done if I hadn’t come across such a thing like this. I’m able to at this time look ahead to my future. Thanks for your time so much for your high quality and effective help. I will not think twice to recommend your web blog to anyone who needs guide on this issue.

  2. emp3z Repondre

    It is perfect time to make a few plans for the longer term and it is time to be happy. I have read this post and if I could I desire to counsel you some fascinating things or advice. Maybe you could write subsequent articles relating to this article. I wish to read even more issues about it!

  3. ed sheeran don t Repondre

    Hello There. I found your blog using msn. That is a really smartly written article. I’ll make sure to bookmark it and return to read more of your helpful info. Thank you for the post. I’ll certainly return.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis