TwitterFacebook

TAMBAJOTRA SOSIALY : MAHAZO VAHANA NY DOKAMBAROTRA FANAOVANA DIPLAOMA SANDOKA

Miverina indray, rehefa nangina nandritra ny volana vitsy, ny fanaovana dokambarotra manerana ny tambajotra sosialy momba ny fanaovana diplaoma sandoka. Misy tetibidy mazava mihitsy ataon’ireo olona manafin’endrika? saingy manome laharana finday azo hiantsoana. Marihin’ireo mpanao hosoka ao amin’ny filazany fa azo hamarinina eny anivon’ny ofisin’ny bakalôrea na ihany koa eny amin’ny minisitera misahana ny Asam-panjakana ny mari-pahaizana ataon’izy ireo. Nilaza ny efa eo am-pikarohana izay olona ao ambadik’ireo mpanao hosoka amin’ny alalan’ny aterineto moa ny mpitandro ny filaminana.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*