TwitterFacebook

SERASERA : RAKOTRY NY “VIRUS” NY TAMBAJOTRA SOSIALY “FACEBOOK”

Misy rohy tonga avy amina hafatra miafina manambarana fa misy horonantsary ahitana ilay tompon’ny “compte Facebook”. Toy izany ny fomba fisehon’ny fiparitahan’ny “virus” ao amin’ny tambajotra sosialy, tamin’ity herinandro ity. Maro anefa ireo tsy mahalala izany ho tokony tsy azo sokafana ka alaim-panahy manindry ilay rohy ary avy hatrany dia mandefa amin’ireo namany anjatony. Maro ireo nandrenesana fitarainana mahakasika ity olana ara-teknolojia vaovao ity. Araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana manokana amin’ity sehatra ity moa dia olona no mamorona ireny “virus” ireny ka ny tsy manokatra ilay rohy any amin’ny hafatra miafina no fanafodiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*