TwitterFacebook

RAHARAHA SOAVIMASOANDRO : NALEFA ENY AM-PONJA ILAY “ADALA” NAMONO OLONA

Nidoboka eny Antanimora ilay lehilahy voalaza ho tsy salama saina nefa nahafaty tovolahy teny Soaviamsoandro tamin’ny 8 martsa teo, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny mpitandro ny filmainana. Eny Antanimora izy izany no miandry ny andro hiatrehany ny fitsarana sy ny valin’ny fitsirihana natao taminy teny Anjamasina.
“Tsy azo natao ny nitazona io olona io nihoatra ny fetra voafaritry ny lalàna. Tsy maintsy nampiatrehana ny fampanoavana izy araka izany, ka fanapahan-kevitry ny mpitsara ny nampidirana azy eny Antanimora”, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Tsy fantatra mazava moa izay antony tsy nitazonana azy teny amin’ny tobin’ny adala teny Anjanamasina. Voalaza anefa fa efa nitsabo tena teny amin’io ivon-toerana io izy tamin’ny taona 2016. Naharitra telo volana monja izany fitsaboana azy izany, ary navoaka niriria teny anivon’ny fiaraha-monina izy no izao nahavanon-doza izao.
Tsiahivina fa tovolahy telo no nifanena tamin’io olona marary saina io no avy hatrany dia voatora-bato. Nirohotra nanenjika ity voalaza ho “adala” ity izy telolahy, saingy nahita antsy teny amina mpivarotra amoron-dàlana ilay adala no niverin-dàlana tampoka. Teo no namelezany ny iray tamin’izy telo. Maty tsy tra-drano moa ilay tovolahy noho ny fitsatohan’ilay antsy teo amin’ny fony.

Prisca Ranjalahy

3 commentaires

  1. Iomoio Repondre

    Hi, i believe that i noticed you visited my blog so i came to “return the choose”.I’m attempting to to find issues to enhance my web site!I guess its ok to make use of some of your ideas!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis