TwitterFacebook

MPIASAM-PANJAKANA AMBONY VOAROBA SY VOAVONO : NAVERINA ENY AMIN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA NY RAHARAHA

Tsy tanteraka omaly ny famoahan’ny Fitsarana ny didy momba ilay fanafihana mpiasam-panjakana ambony sy ny vadiny, tany Arivonimamo. Fantatra izao fa naverin’ny fampanoavana eny am-pelatànan’ireo mpitandro ny filaminana miandraikitra ny fanadihadiana ny raharaha. Olona tokana anefa no voalaza fa anton’izany.

“Tsy hita popoka izay misy ilay lehilahy fahadimy voatondro ho tompon’antoka tamin’ilay herisetra sy halatra. Noho izany dia alefa eny amin’ireo mpitandro ny filaminana indray ny raharaha sy ny fikarohana azy”, araka ny fampitam-baovao voaray.

Tsiahivina fa efa ho tapa-bolana izao no nisehoan’ilay herisetra nihatra tamin’ireto mpivady izay nitaingina fiarakodia ireto, tany Arivonimamo. Nitantara ireo niharam-boina fa dimilahy tao anatina fiarakodia “Peugeot partner” no nibahana ny làlan’izy ireo teo afovoan’arabe. Voalaza fa vao nivoaka nikasa ny nanontany ny anton’izany ilay mpiasam-panjakana ambony dia herisetra avy hatrany no nitsenan’ny lehilahy iray azy.

“Nomen’ny iray “coup de tête” aho ka izany no nitarika ny fahavakisan’ny tatamasoko. Tsy vitan’izany fa nitambaran’izy ireo novonoina aho, ary nisy iray hafa tamin’izy ireo nandroba ny vadiko», araka ny fitantaran’ny mpitory.

Very nandritra izany ny fitaovana fakantsary sy vangovango teny an-tànan’ilay renim-pianakaviana. Nomarihin’ireo niharam-boina moa fa ilay lehilahy fahadimy izay karohina mafy no nandroba ity vadina mpiasam-panjakana ambony ity.

PRISCA RANJALAHY

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*