TwitterFacebook

MENABE : Olona 4 nisy naka an-keriny, 1 maty voatifitra

Olona efatra no nofaohana jiolahy 12 lahy nirongo fitaovam-piadiana tao Andaombato, distrikan’i Mahabo faritra menabe tamin’ny herinandro teo. Ny iray tamin’izy ireo no hita faty taorian’ny fikarohana nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Renim-pianakaviana no hita tany an-tendrombohitra araka ny tatitra voaray. Hatramin’ny omaly anefa dia tsy mbola nisy hita ny telo tamin’ireo olona nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ireo. Fantatra fa basim-borona sy antsy no nentin’izy ireo nanaovana ny asa ratsy.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*