TwitterFacebook

MATSIATRA AMBONY : ZANDARY DIMY VOATIFITRA, OMBY 150 TSY HITA POPOKA

Nitrangana fifampitifirana variraraka tao amin’ny alan’i Vatolava, ao amin’ny kaominina Isorana, faritra Matsiatra Ambony, omaly vao maraimbe. Andian-dahalo avy nifaoka ombin’olona 150 isa no voalaza fa nitifitra ireo zandary nanao fanarahan-dia. Mpitandro ny filaminana 5 araka izany no naratra, ka ny iray tamin’ireo voan’ny bala no tsy maintsy nalefa haingana tany amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa. Hatramin’ny omaly hariva moa dia tsy mbola hita ireo omby halatra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*