TwitterFacebook

MANJAKANDRIANA : NIVARINA AN-KADY ILAY TAKSIBOROSY NIDIRAN’IREO DAHALO 12 LAHY

Tra-doza ilay ilay taksiborosy “Sprinter” izay nitondra andian-dehilahy miisa 12 voalaza fa avy namaky tsena sy trano tao Manjakandriana, afak’omaly alina. Nitatitra ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa nifandona tamina fiara vaventy ilay “Sprinter” ka tsy nijanona raha tsy tany anaty hantsana.
“Nivadibadika tany amin’ny lavaka ilay taksiborosy. Nahatalanjona anefa fa mbola tafatsoaka indray izy 12 lahy”, araka ny tatitra voaray avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana.
Nivoaka tsirairay tao anatin’ilay fiarakodia izy ireo ary nirifatra nitsoaka nandeha an-tongotra. Ilay mpamily taksiborosy kosa dia tsy naratra mafy na izany aza. Iretsy andian-jiolahy indray moa dia fantatra fa nizotra nankany Mangamila, distrikan’Anjozorobe. Ilay fiara tra-doza kosa avy hatrany dia nanaovan’ireo mpitandro ny filaminana fanadihadiana.
Rehefa niverina nanao famotorana ireo olona lasibatry ny vaky trano tao Manjakandriana moa ny mpitandro ny filaminana dia fantatra fa vola sy entana maro no nofaohan’ireo olon-dratsy. Vola manodidina ny 8 tapitrisa ariary , niaraka tamin’ny finday am-polony ary volamena sy karatra famahanana finday sy enta-madinika no nalain’ireo dahalo. Tsy nisy tratra moa na iray aza tamin’ireto farany fa ny zandary any amin’ny borigadin’Andriampamaky no mandray ny raharaha.

PRISCA RANJALAHY

1 commentaire

  1. read more Repondre

    I just want to mention I am beginner to blogging and site-building and definitely savored your blog. More than likely I’m going to bookmark your site . You absolutely have awesome writings. Many thanks for sharing your website.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis