TwitterFacebook

MANAKARA : NOTSATOHANA ZAVA-MARANITRA NY FITOMBENAN’ILAY LEHILAHY

Maty noho ny ratra nahazo azy tao amin’ny fitombenany sy teo amin’ny kibony ilay raim-pianakaviana, monina ao amin’ny fokontany Antaimby, kaominina ambanivohitra iray ao amin’ny distrikan’i Manakara, tamin’ny sabotsy teo. Nilaza moa ny vady andefimandriny fa andian’olona tao an-tanàna no nahavanon-doza ka nandratra sy nampijaly azy, ka izao nitarika ny fahafatesany izao. Nampahafantatra ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa efa nisy olona iray ahiana ho nahavita namono ilay raim-pianakaviana voasambotra, saingy mbola anaovana fanadihadiana hatramin’ny omaly.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*