TwitterFacebook

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TANY AMPEFY : OLONA ROA MATY, IRAY NARATRA MAFY

Potika tanteraka ilay Golf Bora avy eto Antananarivo nikasa hihazo an’Ampefy, teny amin’ny làlampirenena voalohany, omaly antoandro. Teo amin’ny tetezan’Ampasamanatongotra, Ampefy, no nisavoana ka nanidina ary nivadibadika ilay fiara. Olona telo niaraka tamin’ny mpamily no tao anatin’io fiarakodia io, ka ny roa tao anatiny no voalaza fa maty tsy tra-drano. Ilay mpamily kosa mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny omaly hariva. Ny fandehanana mafy moa no voalaza fa fositry ny loza .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*