TwitterFacebook

«JMJ» ANDIANY FAHASIVY : RAKOTRA TANORA KATOLIKA I MAHAJANGA

Nangoro vitsika ny «Village touristique» ao Mahajanga nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Tanora katolika maherin’ny 5 alina no mivangongo ao an-toerana noho ny fanamarihan’ny mpino katolika ny andro maneran-tany ho an’ny tanora (JJM) andiany fahasivy. Mpitandro ny filaminana manodidina ny 500 isa no natokana hifehy ny fandriampahalemana mandritra izany, ary an’arivony ireo relijiozy sy pretra mizara aim-panahy amin’izany. Na dia solontenan’ireo tanora katolika avy amin’ny lafivalon’ny nosy ihany izy ireo dia, tsikaritra ho manano sarotra ny fandaminana any an-toerana. Anton’izany ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa nandraisana ireo avy lavitra, raha ny fanamarihan’ny diosezy mpampiantrano.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*