TwitterFacebook

IVATO : MAORISIANINA 61 TAONA MATY TANY ANATY FIARAMANIDINA

Maty tampoka tao anaty fiaramanidina ny lehilahy teratany Maorisianina, 61 taona, afak’omaly tamin’ny dimy ora latsaka folo minitra. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia efa naka toerana tao anatin’ilay fiaramanidina izy sy ny namany iray izay niray toerana taminy. Nijanona tampoka anefa ny fony ary nitambotsitra izy. Io namany io ihany moa no nilaza fa efa mararin’ny diabeta ity Maorisianina ity. Tonga nizaha ny razana teny an-toerana moa ny mpitsabo ary nanamarina ny fijanonan’ny fony. Avy hatrany dia nalain’ny “ambulance” ny vata-mangatsiakany mandra-piandry ny havany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*