TwitterFacebook

HALATRA SY FIKAMBAN-JIOLAHY : POLISY MANAMBONINAHITRA KAROHINA NOHO NY HALATRA VOLAMENA 5 KILAO

Mpitandro ny filaminana mitarika vondron-kery manokana miady amin’ny asan-jiolahy eny Tsaralalàna no voarohirohy amina halatra volamena 5 kilao. Ireo polisy miara-miasa aminy ihany amin’izao no manao ny savahao.

Polisy miasa eny Tsaralalàna no ifampitadiavana noho ny raharaha izay nahaverezana volamena nahatratra 5 kilao teny Antsahavola, ny alatsinainy alina teo.Tao amina trano fonenana teratany Pakistanais no nisehoan’ny fanafihana, ka voatondro ho isan’ireo nandray anjara tamin’izany ity mpitandro ny filaminana ity.

“Fikambanan-jiolahy sy fanafihana mitam-piadiana no anenjehana azy. Maherin’ny 620 tapitrisa ariary no tetibidin’io entana lasany io”, araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Ny ampitson’ny nahaverezan’ilay volamena ihany dia nanomboka ny savahao. Io polisy io dia nolazain’ireo mpiara-miasa aminy fa tsy hita popoka vantany vao tanteraka ilay asa ratsy tao Antsahavola, ka vao mainka nanamarina ny ahiahin’ireo mpanao fanadihadiana izany. Notazonin’ireo mpanao famotorana ho tsiambaratelo kosa ireo porofo hafa namantarana ny nandraisany anjara tamin’io fanafihana mitam-piadiana io.

Tsilin-tsofina avy amin’ireo mpiara-miasa aminy moa no nahalalana fa mbola nanao ny asany ara-dalàna izy ny alahady, nialoha io nanaovany ilay fanafihana teny Atsahavola.

Mpitarika vondron-kery manokana

Raha ny torohay voaray avy amin’ireo mpiara-miasa aminy dia, fantatra fa mpitarika vondron-kery misahana ny ady amin’ny asan-jiolahy ao Tsaralalàna ity voarohirohy ity. Izany hoe havanana amina fitarihana hetsika manokana hanenjehana ireo olon-dratsy. Ary tsy vahiny amin’ny fametrahana lamina sy paikady manokana mifanaraka amin’izany.

Araka ny vontoatin’ny heloka anenjehana azy, mpikambana eo anivona andian-jiolahy dia, mazava ho azy fa manana namana izy. Ary tsy nandà izany ny loharanom-baovao eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Hatramin’ny omaly anefa dia tsy mbola nahitana soritra izay nisitrahany niaraka tamin’io volamena an-jatony tapitrisa io. Ny eo anivon’ny Polisim-pirenena moa etsy ankilan’izany nanao izay nanaparitahana ny filazana fampikarohana sy ny sariny ary ireo laharan-tariby azo antsoina ho an’ireo manam-baovao. Marihina fa eny Analamahitsy ny trano fonenany, raha ny vontoatin’ilay filazana fikarohana.

PRISCA RANJALAHY

2 commentaires

  1. I may not be perfect Repondre

    Hatramin’ny omaly anefa dia tsy mbola nahitana soritra izay nisitrahany niaraka tamin’io volamena an-jatony tapitrisa io. Ny eo anivon’ny Polisim-pirenena moa etsy ankilan’izany nanao izay nanaparitahana ny filazana fampikarohana sy ny sariny ary ireo laharan-tariby azo antsoina ho an’ireo manam-baovao. http://2quotes.net/love-quotes/i-may-not-be-perfect-but-i-love-you-quotes.html« >I may not be perfect Marihina fa eny Analamahitsy ny trano fonenany, raha ny vontoatin’ilay filazana fikarohana.

  2. Hayes Thomas Repondre

    Very nice post. I just stumbled upon your blog and wanted to say that I have really enjoyed browsing your blog posts. and hope you will enjoy some I may not be perfect

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis