TwitterFacebook

HAIN-TRANO TENY 67 HA : Trano maherin’ny 14 kila noho ny fitselaran’ny andrin-jiro

Nisehoana hain-trano nahatsiravina teny 67 Ha Atsimo ny zoma alina teo. Trano mihoatra ny 14 isa no lasa lavenona ary olona ampolony maro no traboina. Ny fisiana pitik’afo teny amin’ny andrin-jiro no voalazan’ireo niharam-boina fa rangory fototry ny afo.

“Nisy tselatr’afo toy ireny afomanga ireny nilatsaka avy eny amin’ny andrin-jiro izay mizara ny herinaratra eto an-tanàna. Segondra vitsy monja anefa dia niredareda ny afo ary tsy voafehy izany fa avy hatrany dia nandravarava ireo trano rehetra nifampiankina”, araka ny fitantaran-dRanaina Félix.
Trano hazo ny sasany tamin’ireo kila hotohoton’ny afo ka izany no fantatra fa vao mainka nanome vahana ny firedaredan’ny lelafo. Tetsy andaniny ihany koa ny fahasarotana tamin’ny famonoana ny afo noho ny tsy fisian-drano ary ny fahelan’ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina.

Nitaraina mantsy ireo traboina fa ora iray taorian’ny fiantsoana azy ireo vao nigadona teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza ireo mpamono afo sy ny fiarabeny. Donan-tsetroka sy lavenona anefa no hany sisa novantanin’izy ireo teo amin’izany. Nilaza moa ny avy eo anivon’ny Sampana mpamonjy voina fa tsy afa-nanoatra noho ny fisian’ny fitohanan’ny fifamoivoizana goavana. Na izany aza dia tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*