TwitterFacebook

FITANDROANA FILAMINANA : NAHAZO KAOMISARIA VAOVAO I MANONGALAZA ANTSIRANANA

Tranon’ny kaomisaria vaovao no notokanan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka Éric Michel Wouli Soumah Idrissa tany Manongalaza Antsiranana tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tohin’ireo ezaka fametrahana fotodrafitrasa hanakekezana ny vahoaka no anton’izany, hoy izy nandritra ny fandraisany fitenenana. Sady biraon’ny polisy no toby ihany koa moa ity fotodrafitrasa vaovao ity, raha ny fanampim-baovao hatrany. Voalohany mantsy izao no nahazo kaomisaria ny kaominin’i Manongalaza.

P.R

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*