TwitterFacebook

FISOLOKIANA VOLA ANY AMIN’NY BANKY : AMIN’NY SOMESO INDRAY IREO OLON-DRATSY NO MANGALATRA AN-KOLAKA

Mandefa fanontaniana amin’ny alalan’ny someso ireo mpanjifa amina banky iray eto Madagasikara hakana ny torohay momba azy ireo. Izany indray no fomba vaovao hahafahan’ireo mpangalatra mamindra vola an-kolaka any amin’ny banky. Nandefa filazana fampitandremana vokatr’izany ireo banky voatonona ao amin’ilay someso momba ity raharaha ity. Maro ireo nilaza fa efa naharay izany hafatra fohy amin’ny finday izany saingy nilaza ho tsy mbola naharay fitoriana ny mpitandro ny filaminana. Nilaza ho miandry io fitoriana io izy ireo vao afaka manao ny fanadihadiana rehetra.

P.R

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*