TwitterFacebook

FIKAROHANA MPANAO FANAFIHANA : Ny vadiny ihany no namadika an-d“Ra-Cô”

Ny andefimandrin-d“Ra-Cô”, ilay lehilahy voalaza ho atidohana mpanao fanafihana mitam-basy no nampiseho ireo porofo tamin’ny Polisy, ny alakamisy teo teny Ambanidia. Pataloha sy “moto”, izay nentiny nanatanteraka ny asa ratsy no nasehom-badiny ny Polisy tao an-tranony

Lehilahy voalaza ho efa za-draharaha amin’ny vaky trano saingy sarona tamin’ny kely foana “Ra-Cô”. Tamin’ny alakamisy vao maraimbe mantsy no nanaovan’ireo Polisy bemidina teny Volosarika Ambanidia ity olona voatondro ho tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana goavana nisesy ny 21 sy ny 31 martsa teto an-drenivohitra.
“Vola 30 tapitrisa ariary no nofaohany tamin’ny asa ratsy voalohany ary volamena nahatratra 384 grama kosa ny faharoa. Olon-tokana ihany no tompon’ireo fa ny fotoana sy ny toerana ary ny fomba nanafihan’ity lehilahy ity no samihafa”, araka ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Ny vadiny ihany no nolazain’ny Polisy fa nanamarina ireo porofo nolazain’ireo voatafika fa afaka namantarana an’i “Ra-Cô”, tamin’ny fotoana nisamborana ity farany. Voalaza mantsy fa nanaiky tsy ampihambahana ny hampiseho ny akanjo izay fanaovan’ity voatondro ho mpanao asa ratsy ity ny andefimandriny rehefa nofotorin’ny Polisy. Avy hatrany ary dia namoaka ireo akanjo fanaovan’ilay voarohirohy ilay ramatoa. Tamin’ireo lamba izay novelarina teo am-pandriana no nahitana pataloha niloko volon-davenona izay nolazain’ilay voatafika fa nanaovan’ity nifaoka ireo vola sy ny volamena teny aminy tamin’ny volana martsa. Nanantitra moa ny avy eo anivon’ny Sampana heloka bevava fa nifandraikitra tanteraka tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ireo lasibatra ity porofo tratra tao an-tranony ity.

Nanampy trotraka ihany koa tetsy andaniny ny fahatrarana ilay fitaovam-pitaterana izay nampiasainy tamin’ny fotoana nangalarany ireo fanan’olona. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ny voaroba mantsy no nahalalana fa nitondra “moto” niloko mainty Ra-Cô. Rehefa natao anefa ny fisavana ny tranony dia nahitana “moto” saingy ny faritra kely nolokoina ho mena vonjimaika izany. Fantatra ihany anefa rehefa nataon’ny Polisy fampifandraisana ny fitoriana sy ny valin’ny famotorana fa ity fitaovam-pitaterana ity ilay nentiny saingy nolokoiny mba tsy hisy hamantarana izany.

Araka ny lalàna dia anio no tokony hiakatra manoloana ny fampanoavana ity lehilahy voalaza ho jiolahy raindahiny ity. Ary tsy hijanona eo ny raharaha satria fantatra izao fa misy fanafihana telo hafa mahavoasaringotra azy.

Prisca Ranjalahy

1 commentaire

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis