TwitterFacebook

FIANARANTSOA : LEHILAHY VOATONDRO HO JIOLAHY VOATIFITRA TEO AM-PITSOAHANA

Nirefotra ny basy tao Ampahidrano Ankofafa, tanàna iray ao amin’ny distrikan’i Fianarantsoa, omaly maraina. Lehilahy rotiky ny bala no hitan’ny fokonolona nitsirara tamin’ny tany. Nilaza ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana fa dahalo nasaina nanondro ireo namany izay mbola niery tany anaty tanàna ity rotiky ny bala ity. Araka ny tatitry ny Polisy dia nikasa ny hitsoaka izy rehefa nahazo làlana nalalaka. Nifamahofaho moa ny hevitr’ireo mponin’Ampahidrano Ankofafa, omaly. Tao ireo nitsipaka ny fitifirana ity voatondro ho jiolahy ity ary tao kosa ireo nankato ny fanaperana ny ainy.

P.R

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*