TwitterFacebook

FENOARIVO : POTIKA NY FITARATR’ILAY TAKSIBE NITRONGY SARETY

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Fenoarivo, omaly maraina. Fiara fitateram-bahoaka no nitrongy sarety nitatitra hazo avy tao aoriana. Vokany, loaka ny fitaratra alohan’ilay taksibe ary saika nandratra ilay mpamily izany.
“Ilay fiara fitateram-bahoaka no tao aoriana, izay sady antomotra no nikasa hisongona ilay sarety. Avy hatrany dia hazo lava maro no namaky ilay fitaratra izay nifanandrify tamin’ny mpamily”, araka ny fitantaran’ny mpandeha iray tao amin’ilay fiara fitateram-bahoaka.
Nisy moa ny fifamaliana teo amin’ilay mpitarika sarety sy ilay mpamily fiara saingy niravona ihany izany vao nigadona nizaha ny loza ny mpitandro ny filaminana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*