TwitterFacebook

FARAVOHITRA : Mpanao « film kidnapping » nampisahotaka ny fokonolona

Nisehoana trangan-javatra nahatsikaiky teny Faravohitra, omaly maraina. Horonantsary momba ny fakana an-keriny no noheverin’ireo mpandalo sy mponina teny an-toerana fa zava-misy marina ka nisavoritaka ny rehetra. Ny sasany avy hatrany dia niantso an-tariby mpanao gazety ary nisy kosa ireo nikasa ny nanatona mpitandro ny filaminana. Nanampy ireo resabe ny nilazana fa zanaka minisitra ilay nisy nifaoka tao anatin’ny fiarany nandritra ilay horonantsary. Tamin’ny 10 maraina teo moa dia tony ihany ny teny Faravohitra sy ny manodidina fa fantatra fa horonantsary no natao teny an-toerana.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*