TwitterFacebook

FARAVOHITRA : FIARA NIANTSONA AMORON’ARABE NINIANA NOVAKIANA NY FITARANY

Lehilahy iray no nifanejehan’ireo olona teny Faravohitra, omaly, fa voalaza ho nanao fanahy iniana namaky ny fitaratry ny fiaran’olona nijanona teny amoron-dàlana. Tsy nahita ny tranga ny tompon’ilay fiara ary tsy tratra ihany koa anefa ilay nahavanon-doza. “Mody nandalo teo amin’ilay fiarakodia izy ary avy hatrany dia namaky ilay fitaratra ao aoriana tamin’ny tànany havanana ary nirifatra nitsoaka avy eo”, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Voalaza fa tsy nifaoka entana tao amin’ilay fiara ilay lehilahy ary mbola hita avy teny ivelany avokoa ireo kojakoja nahiana ho very.

1 commentaire

  1. Pingback: cccmgev6tge56bye5c6vge6

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis