TwitterFacebook

FANAFIHANA TANY BRICKAVILLE : VOLAMENA 24 GRAMA SY VOLA MAHERIN’NY 17 TAPITRISA ARIARY LASAN’IREO JIOLAHY

Nitrangana fanafihana tanàna tany Anjahamana, kaominina any Brickaville, ny faran’ny herinandro teo. Tokantrano roa no noravaravain’ireo olon-dratsy nandritra izany, ka vola maherin’ny 17 tapitrisa ariary no nofaohan’izy ireo, sy volamena nahatratra 24 grama. Nirongo basy moa ireo jiolahy araka ny fitorian’ireo niharam-boina, ka na dia nanohitra aza ireo fokonolona dia niala maina. Roa tamin’ireto farany aza no nitondra faisana noho ny tifitra nahazo azy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*