TwitterFacebook

FAKANA AN-KERINY : ENY ANTANIMORA NO NANDEFASANA IREO ROALAHY NOSAMBORINA TANY TOAMASINA

Nanomboka tamin’ny 7 febroary ary nifarana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny famotorana ireo lehilahy roa izay nosamborin’ny “Cellule mixte anti-kidnapping” tany Toamasina. Voarohirohy ho isan’ireo nandray anjara tamina raharaha fakàna an-keriny maro izay niseho teto Antananarivo izy ireo. Fantatra taorian’izany fa niatrika ny fampanoavana ireo voarohirohy ka avy hatrany dia nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora. Nanamarina izany ny tomponandraikitry ny serasera avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, omaly, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby.
“Vita ny fanaovana fanadihadiana azy ireo teny amin’ny toby Ratsimandrava. Nalefa niatrika sazy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy eny Antanimora izy ireo taorian’izay”, araka ny valinteny voaray.
Nahagaga moa no nandefasana ireto voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny ireto eny Antanimora, saingy nanazava ny mpitandro ny filaminana fa fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny Fitsarana izany. Nitondra fanazavana noho izany ny loharanom-baovao iray avy ao amin’io minisitera io.

“Ekena fa eny Tsiafahy matetika no fandefasana ireo nanao heloka bevava tahaka ny fakàna an-keriny. Saingy mety ho fisorohana ny fikasan-dratsin’izy ireo amin’ny fitsoahana na famakiana fonja no anton’io fanapahan-kevitry ny mpitsara io”, hoy ny fanamarihana avy amin’ny mpahay lalàna ao amin’ny Fitsarana.
Efa maro mantsy ireo olona misazy eny Tsiafahy raha ny momba ny raharaha fakàna an-keriny no resahina. Marihina fa ireo roalahy ireo dia voasaringotra amina fakàna an-keriny Karana maro izay niseho teto Antananarivo tato ho ato.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*