TwitterFacebook

FAHAMAIZANA TRANON’NY DISTRIKA TANY BORIZINY : OLONA 38 ISA NAIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA

Olona 38 avy any Boriziny no naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fahamaizan’ny tranon’ny distrika tany an-toerana, ny faran’ny volana jona teo. Araka ny fanazavana voaray dia olona 38 no voatondro ho nandray anjara tamin’ny fandorana ny tranon’ny distrika nandritra ny fitakiana ny famoahana telolahy izay voatondro ho dahalo. Tsy ny tranon’ny distrika irery anefa no voalaza fa norotahan’izy ireo fa ny biraon’ny Zandarimaria any an-toerana ihany koa. Mponina avy any Tsimingia, kaominina iray ao amin’ny distrikan’i Boriziny, avokoa ireo olona voaheloka ireo ary mbola miandry ny fitsarana azy ireo hatramin’izao.

P.R

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*