TwitterFacebook

DISTRIKAN’AMBALAVAO : PASITERA VOATONDRO HO NAMONO NAHAFATY RENIM-PIANAKAVIANA

Mpitondra fivavahana nahavita nanala aim-behivavy. Tany amin’ny distrikan’Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, tamin’ny alakamisy teo, no nisehoana vono olona mahatsiravina teny amin’ny araben’ny kaominina Iarintsena. Renim-pianakavina, 35 taona mantsy no nodarohana pasitera tampoka tao anaty maizina, ary tsy namelany raha tsy afaka ny ainy.

«Andeha hividy paraky aho no nifanena taminy. Tsy nisy resaka na ihany koa fifamaliana fa avy hatrany dia nodarohiny aho ary tsy namelany raha tsy lavo tamin’ny tany”, araka ny resak’ilay vehivavy farany tamin’ny polisy any an-toerana, talohan’ny nahafatesany.

Efa nalemy no sady feno ratra anefa io renim-pianakaviana io vao nisy naheno ny antso vonjy nataony. Nihazakazaka nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana vokatr’izany ireo mponina no sady niantso mpitandro ny filaminana ihany koa. Mbola afaka nanondro ilay nahavanon-doza izy no sady nitantara tamin’ny antsipirihany izay nanjo azy talohan’ny nialany aina.

Nandritra ny fisamborana nataon’ireo polisy moa no nahalalàna fa pasitera amina fiangonana zandriny iray any an-toerana ity lehilahy nahavanon-doza ity. Ary tsy nandà ny heloka nataony ihany koa izy, saingy nilaza ho tsy tompon’ny tenany teo am-panaovana izany. Porofon’izany ny nanamarihany, nandritra ny fiatrehany ny fampanoavana, fa misy tsy fahasalamana ny sainy. Na izany aza dia nidoboka am-ponja vonjimaika izy miandry izay fotoam-pitsarana azy. Voalaza fa famaizana no sady fisorohana izay mety ho vokatry ny hatezeran’ireo mponina any an-toerana ity fanapahan-kevitry ny Fitsarana ity.

Prisca Ranjalahy

1 commentaire

  1. borvest inkral Repondre

    Hey! Someone in my Facebook group shared this site with us so I came to look it over. I’m definitely loving the information. I’m book-marking and will be tweeting this to my followers! Excellent blog and brilliant style and design.

    http://www.borvestinkral.com/

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis