TwitterFacebook

BETIOKY ATSIMO : NOTIFIRINA HO FATY ILAY LEHILAHY REHEFA AVY NAMONO NY VADINY

Nisehoana vono olona tamin’ny fomba feno habibiana tany Ambarinakoho, kaominina ambanivohitr’Andranomangatsiaka, distrikan’i Betioky Atsimo, afak’omaly. Vehivavy manodidina ny 30 taona no nokapohim-badiny tamin’ny antsy lavalela tao amin’ny hatony ary tsy vitan’izany fa mbola notsatohany tamin’ny lefona ny lamosiny. Maty avy hatrany ilay vehivavy vokatr’izany ka tsy nanaiky ny “Dinabe” tao an-tanàna raha tsy nampitondra faisana ilay nahavanon-doza. Nosamborina ilay lehilahy ary nofatorana ka notifirina ho faty. Nanamarina moa ny tomponandraikitry ny fitandroana ny fahalemana any an-toerana fa ady teo amin’izy mivady no niantombohan’ny olana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*