TwitterFacebook

BETAFO : MIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FANDRIAMPAHALEMANA

Efa milamina ao Ambohimasina sy Manohisoa, kaominina nisehoan’ny savorovoro tany amin’ny distrikan’i Betafo, ny talata sy alatsinainy teo. Mpitandro ny filaminana iray kamiao no niainga maraina tao Antsirabe nihazo an’i Betafo, omaly.

“Tsy misy intsony ny savorovoro. Efa tony ny mponin’Ambohimasina taorian’ny fifanazavana sy ny porofo nentina tamin’izy ireo fa tsy mitombina ny ahiahy amin’ny fisian’ny hala-jaza”,araka ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana iray any an-toerana.

Na dia mbola hita fa niatrana sy nisafo ireo tanàna tany amin’ireo kaominina roa ao Betafo ireo aza araka izany ireo mpitandro ny filaminana, dia fantatra fa efa niomana ny hihazo an’Antsirabe ny ampahany tamin’izy ireo, ny hariva ihany. Marihina fa fiara tsy mataho-dàlana roa no potik’ireo fokonolona noho ny hatezerana ary nilaza ny mpitandro ny filaminana fa tsy maintsy hisokatra ny fanadihadiana momba izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*