TwitterFacebook

ANTSOHIHY : MPIANATRA AVY NANAO “GYM BACC” MATY

Tovolahy iray tamin’ireo mpiadina nandritra ny adina ara-panatanjahan-tena bakalorea no maty ny talata teo, tao amin’ny hopitalin’Antsohihy. Nilaza ireo akaiky azy sy ireo mpiadina niaraka taminy fa ny tsy fahazakany ny adina no anton’ny voina nahazo azy. “Mety tsy niomana na ihany koa tsy nanao fanazaran-tena no nahatonga azy tsy salama tampoka”, araka ny filazan’ireo mpiadina namany.

Voalaza mantsy fa nitaraina ho fanina ity tovolahy ity ary avy hatrany dia nalemilemy toa tsy nahatsiaro tena. Nifanome tànana nibata azy sy nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana noho izany ireo tomponandraikitra teny amin’ny foibem-panadinana. Voalaza fa mbola nisy aina izy tamin’io fotoana io na dia hitan’ireto farany ho nalemy aza. Noraisin’ireo mpitsabo an-tànana avy hatrany moa izy nandritra izany. Dimy andro taty aoriana anefa dia fantatra fa tsy avotra ny ain’ilay tovolahy.

FANAZAVANA

Nisy tamin’ireo havany moa no nihevitra fa ny fiatrehany ny adina ara-panatanjahan-tena no anton’ny loza. Rehefa nangatahana fanazavana anefa ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony dia nitsipaka ilay fanahiana. “Efa dimy andro no nitsaboana azy tao amin’ny hopitaly. Tsy mitombina ny filazana fa ny adina ara-panatanjahan-tena no nahafaty azy”, hoy ny valinteny voaray.

Etsy ankilan’izany ny tomponandraikitry ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena dia nilaza ho nahare ilay tranga teny am-panaovana fanadinana saingy tsy nahafantatra ny tohiny.

Tsy nisy fitoriana na ihany koa arakaraka nataon’ny havan’ny maty anefa hatramin’ny omaly. Marihina fa any amin’ny kaominina ambanivohitra Amparakilandy no misy ny fonena’ilay tovolahy.

3 commentaires

  1. Pingback: c3wm54no7tebcomvvnwecttv54t

  2. Gary Klos Repondre

    My programmer is trying to convince me to move to .net from PHP.I have always disliked the idea because of the expenses.But he’s tryiong none the less. I’ve been using Movable-type on numerous websitesfor about a year and am worried about switching to another platform.I have heard fantastic things about blogengine.net. Is there a way I can transfer allmy wordpress posts into it? Any help would begreatly appreciated!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis