TwitterFacebook

Antaninandro : Karohin’ny Policy I Steeve Pazzapa voatondro ho nangalatra vola 4.000 euros

Steeve, lehilahy nandray anjara tamina fifaninanana ara-javakanto, no hifampikarohan’ny Polisy noho ny halatra. Volan’ny iray tampoha aminy no voalaza fa nofaohany

Karohina mafy i Steeve, ilay tovolahy izay isan’ireo nalaza nandritra ny fifaninanan-kira tamina hainomanjery tsy miankina iray teto Madagasikara. Mirantiranty amin’ny peta-drindrina eny amin’ny biraon’ny Polisy fa voatondro ho nangalatra volabe izy ary izany no votoatin’ny fitoriana eny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, eny Antaninandro.

“Mahatratra 4.000 euro ny tetibola nofaohany. Tsy maintsy namoahana filazana fampikarohana izy noho ny fitsoahany ny toeram-ponenany”, araka ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana.

Loharanom-baovao no nahafantarana fa iray tampoha aminy ihany no lasibatr’ity halatra ity. Ny rahalahiny mantsy no nanapa-kevitra ny nametraka fitoriana teny amin’ny Polisy. Nandritra ny fifampiresahan’ilay mpitory tamin’ny Polisy tao amin’ny kaomisaria teny Antaninandro moa dia fantatra fa mateti-pitranga ity hala-bola ity saingy efa nihoa-pampana ity indray nitoraka ity.

Andro vitsy izay no fantatra fa nametrahana io filazana fampikarohana io teny amin’ny biraon’ny Polisy saingy tsy mbola nahitana mangirana ny misy ity lehilahy fantatra teo amin’ny tontolon’ny fihirana ity. Nisafidy ny nanaparitaka izany tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy ihany koa ny Polisy saingy nandamoaka hatramin’izao ny fikarohana. Ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo olona efa lasibatry ny fisolokiana sy halatra nataony no niverimberina. Saingy nilaza ho tsy mbola naharay fitoriana ankoatra ny an’ny rahalahiny ireo mpitandro ny filaminana.

Tsy voalohany moa izao no nandrenesana mpanakanto na mpihira voasaringotra amina raharaha maloto. Nisy aza ireo niafara tany am-ponja mihitsy. Saingy tato anatin’ny enimbolana voalohan’ny taona 2018 dia ity lehilahy ity no nandrombaka ny laza ratsy raha toa ka tsy nisy izany tamin’ny taona 2017. Vao mainka nanaratsy ny lazany ny hoe fianakaviany ihany no nitory azy.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*