TwitterFacebook

ANJEVA : NAHENOANA FIPOAHANA TAO AMIN’NY ORINASA FANODINANA HODITRA

Nisy zavatra nirefotra tao amin’ny orinasa mpikirakira hoditra eny Anjeva, omaly, nanodidina ny tamin’ny 1 ora antoandro. Nikoropaka nizaha izany ny zandary teny an-toerana ary nilaza fa fipoahan’ny fitaovana fandokoana tao amina efitrano tokana no nipoiran’izany, ary nitarika firehetana. Tetsy an-daniny ihany koa ny sampana mpamonjy voina teny Tsaralalàna efa nihazakazaka namonjy ny famonoana ny afo. Saingy minitra vitsy ihany dia voafehin’ireo mpiasa tao amin’ilay orinasa ny afo. Ampahana hoditr’omby nohamainina no fantatra fa kilan’ny afo, tsy nisy kosa fahaverezana goavana.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*