TwitterFacebook

ANALAMAHITSY : LEHILAHY MPAMPITERAKA NIVAROTRA ZAZA 8 HETSY ARIARY

Zazakely manodidina ny telo volana no namidina lehilahy milaza ho mpampiteraka, monina eny Analamahitsy, 8 hetsy ariary. Mpivady nitady zaza izay efa nanefa vola 4 hetsy ariary taminy, ho famandrihana ilay zaza, no nahita ilay filazana zaza very tamin’ny tambajotra serasera ka nampandre ilay reny very zanaka. Teny anivon’ny kaomisaria no fantatra fa nifanomezan’ny roa tonta fotoana. Taorian’izay no nanomboka ny fikarohana ilay lehilahy mpivarotra ka nahatrarana ireo vehivavy roa hafa namany, izay nifaoka ilay zaza teny an-tànan-dreniny, andro vitsy lasa izay.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*