TwitterFacebook

AMPASIKA : FATIN-DEHILAHY ROA EFA MANGANA NITSINGEVANA TEO IKOPA

Nisy fatin-dehilahy manodidina ny 30 taona roa no hita nitsingevana teny amin’ny ranon’Ikopa omaly maraina. Potiky ny ratra no sady mangana ny tarehin’izy ireo, saingy tsy mbola nanamarina ny dokotera nizaha raha novoina na tsia.

Hatairana ny an’ireo mpanasa lamba nahita olona natsingevan’ny ranon’Ikopa teo ambanin’ny tetezan’Ampasika, omaly maraina. Vatan-dehilahy roa efa tsy nisy aina intsony mantsy no nentin’ny rano nanara-tsisiny ka nampivarahontsana ireo izay nahita.

“Noheverinay fa olona manjono na milomano izy roalahy. Efa potika ihany koa ny tarehin’izy ireo na dia mbola tsy niala aza ireo akanjo teny an-kodiny”, hoy ny filazana mpanasa lamba izay nahita ny tranga teny Ampasika.
Nivoa-drà no sady nivonto ny tarehin’izy roalahy. Hita fa feno mangana ihany koa ny vatan’izy ireo rehefa nobataina teny an-tanety. Tonga nizaha ireo razana teny an-toerana mantsy ny avy eo anivon’ny sampana mpamonjy voina niaraka tamin’ny mpitsabo avy ao amin’ny Birao misahana ny fahadiova (BMH). Vao nampiakarina ny akanjon’izy ireo dia hita nandrakotra ny tratra sy ny kibony avy ireo mangana sy ratra maro.
Tsy nanaiky nanome ny tombana avy hatrany anefa ny mpitsabo sy ireo mpamonjy voina izay niara-nizaha ny razana teny Ampasika. Maro hoy ny kapiteny iray, ny mety ho anton’izany.

“Mety ho vokatry ny filonan-drano no anton’ireo mangana ireo. Etsy an-daniny ihany koa ny mety fisaringotana zava-maranitra tamin’ny vatany, saingy anjaran’ny mpitandro ny filaminana ny manamarina na mandiso izany”, araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina hatrany.

Ankoatra ireo ratra teny amin’ny vatan’izy roalahy izay nampiahiahy moa dia, nisy kibay nihoson-drà ihany koa teo amoron’ny ranon’Ikopa. Nisy ireo nilaza fa mety ho hazo nikapohana azy roalahy ity hita teo amoron-drano ity. Tsy mbola voamarina anefa izany tombana izany raha tsy vita ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana.
Marihina fa vao herinandro vitsy izay no nahitàna faty teny amin’ny ranon’Ikopa. Indrindra moa fa eny Ampasika izay malaza ho toerana mafana amin’ny tsy fandriampahalemana, ka mety hanarian’ireo olon-dratsy ny fatin’ireo lasibatra.

Prisca Ranjalahy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*