TwitterFacebook

AMBOSITRA : NIDOBOKA AM-PONJA ILAY “LIEUTNANT” VOATONDRO HO NANOLANA MPIANATRA HO ZANDARY

Roa tao an-tranomaizina. Izany no sazy mihatra amin’ilay manamboninahitra zandary voalaza fa nanolana tovovavy mpianatra ho zandary tany Ambositra, tamin’ny heriny anio. Nandritra ny lanonana nataon’ny teo anivon’ny sekolin’ny Zandarimariam-pirenena no voalaza fa nanatanterahany izany filan-dratsy izany.

“Nentin’ny hamamoana izy no nisambotra ilay tovovavy mpianatra ho zandary. Nanamparany ny filan-dratsiny taorian’izay ity farany vantany vao nifaramparana ilay lanonana”, araka ny tatitra voaray eo anivon’ny seraseran’ny Zandarimariam-pirenena.

Ity izany no raharaha hita ho akaiky indrindra ny elanelan’andro famoahana ny didy navoakan’ny fampanovana sy ny fitsarana. Ny alarobia teo mantsy no nalefa nisazy vonjimaika eny am-ponja ilay lieutenant. Omaly zoma ihany anefa dia nampiakarina fitsarana izy ka izao fantatra fa migadra roa taona an-tranomaizina izao.

Tsy nihambahamba nijoro vavolombelona sy nitantara izay nihatra taminy ihany koa ilay vehivavy mpianatra ho zandary voaolana. Tetsy ankilan’izany, ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia nanao izay nanangonana ireo porofo rehetra momba ity raharaha ity, ka izay no sy naha afa-bela ilay lieutenant. Araka ny fanamarihana voaray moa dia, fantatra fa mbola hafa ihany koa ny sazy mahazo ity zandary ity amin’ny maha mpitandro ny filaminana azy.

P.R

4 commentaires

  1. Brad Paradowski Repondre

    Greetings! Very useful advice within this post!It is the little changes that make the biggest changes.Thanks a lot for sharing!

    https://www.hormel.com

  2. Cherilyn Fest Repondre

    Is it convenient to talk at the moment? penomet pegym Confidentiality is a top priority for the site. Participantsare given a numeric ID and do not post their entire portfolios;they are only identified to other participants via two”vectors”: the role of the person, and the particular deal thatis being discussed.

  3. Florentino Juran Repondre

    What’s your number? yasminelle prix “People were concerned about the extent of the rally in the short term and some people are talking about equities being too expensive relative to the underlying fundamentals,” said Stephen Massocca, managing director at Wedbush Equity Management LLC in San Francisco.

  4. Gregg Sahli Repondre

    Hey there! Sоmeߋne in my Facebook group shared this ѕite with us so I came to take alook. I’m definitely enjoying the information. I’m book-marking and will be tweetingthis to my followers! Outstanding blog and brilliant stylеand design.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis