TwitterFacebook

AMBOSITRA : NIVERINA NY FILAMINANA AO AN-TANÀNA

Mandry fahalemana tanteraka ny ao Ambositra. Nangina tao an-tampon-tanàna ary nanohy ny asany amin’ny andavanandro ny mponina hatramin’ny omaly. Mpitandro ny filaminana no hany hita manao fisafoana manerana ny tanàna. Fantatra anefa fa omaly no nanao fivoariambe ireo tomponandraikitry ny fanabeazana tany an-toerana, ka nisy tamin’ireo sekoly no tsy nianatra. Nanazava kosa ny tomponandraikitra tany an-toerana fa tsy misy idiran’ny fitaomana tsy hianatra no tsy nisokafan’ireo sekoly omaly. Anio dia efa hiverina amin’ny asa aman-draharahany ireo mpanabe sy mpianatra any an-toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*