TwitterFacebook

AMBOSITRA : ATOSIKY NY MPANOHITRA HIFAMONO IREO MPIANATRA

Mihitatra hatrany amin’ny fampiadiana ireo mpianatra eny amin’ny CEG sy Lycée ny hetsik’ireo solombavambahoaka mpanohitra. Mpianatra iray no naratra tao Ambositra ary tsy afaka manohy ny fianarany ireo rehetra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana noho ny tahotry ny korontana

Raikitra ny savorovoro tao Ambositra. Mpianatra anjatony no nitety sekoly ary nandrava fianarana sy nanery ireo namany hivoaka ny efitranon’ny tsekoly, omaly maraina. Tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra faharoa sy fahatelo ao Ankorombe no niantomboka ny korontana ary nihitatra hatrany Ambohimiadana sy Antamponivinany izany.

“Nanodidina ny 150 teo izy ireo no niara-nirohotra nitety ireo sekoly teto Ambositra saingy 50 teo ireo tsikaritray ho tena naherisetra. Tsy nifanaraka tamin’izay nandrasan’izy ireo mantsy ny nitranga, satria nanohitra ny fanakorontana ary naniry ny hianatra ireo mpianatra”, araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Araka ny fitantaran’ity loharanom-baovao tao Ambositra ity ny antsipirihan’ny zava-niseho dia efa tao Ankorombe no niahotra ireo mpianatra sasany izay nanaraka ankizilahy iray nitarika azy ireo. Nanao rodobe nihazo ireo sekoly miankina amin’ny Fanjakana tao Ambohimiadana izy ireo taorian’izay, ary nitabataba sy nanery ireo ankizy teny ambony dabilio hivoaka ny efitranon’ny sekoly. Fantatra anefa fa nanohitra izany ireo ankizy tao am-pianarana ka teo no nanomboka ny tora-bato izay niteraka fandratrana mpianatra iray.

“Mpianatra ao amin’ny CEG Ambohimiadana no voatoraka tamin’ny vato ka voatery nentina aingana tany amin’ny hopitaly. Nisy mpampianatra anefa nikasa ny handamina ny hetsika saingy voatoraka ihany koa”, hoy ny vaovao farany voaray avy any an-toerana hatrany.

FANAKORONTANANA

Rehefa nandamoka anefa izany hetsika fanakorontanana sy fandratrana izany dia nisy hatrany ireo andiana mpianatra nitarika ireo namany nankany an-tampon-tanàna. Teo Antamponivinany izy ireo no nitangorona saingy voafehin’ireo mpitandro ny filaminana ihany.

Paikady vaovao indray moa no nampiharin’ireo solombavambahoaka mpanohitra tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nipoitra imasom-bahoaka anefa ireto farany kanefa vao niainga tany Ankorombe ireo andiana mpianatra dia tsikaritra fa nisy tamin’izy ireo no nahazo toromarika manokana ny tsy tokony hanatsaharana ny fanakorontanana na dia nandratrana mpianatra aza izany.

Tsy tanteraka hatramin’ny farany anefa ny fikasan’izy ireo noho ny fahafehezan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ara-potoana. Nilaza ny mbola hikiry hanohy ny fihetsiketsehana kosa anefa ireo mpianatra anio.

LUCIA RASOA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*