TwitterFacebook

AMBOHIMANAMBOLA : KAMIAONA ORINASA TRATRA NITATITRA RONGONY TAMIN’NY LASAKA

Gony feno rongony no nisy nanipy avy tao anatina kamiao lehibe iray teny akaikin’ny “rond-point” Ambohimanambola, ny sabotsy antoandro teo. Nanaitra ireo mponina teny amin’ny manodidina izany ka nisy tamin’ireto farany no nanatona nizaha ny zava-nisy. Nirifatra nitsoaka kosa anefa ireo roalahy izay efa niatrana nivonona ny handray ireo “entana”.

“Teo izahay no niahiahy ary tsy sahy nikasika ireo gony fa niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany”, araka ny fitantaran’ny vavolombelona ny tranga.

Nanao bemidina teny an-toerana ny Polisy avy ao Alasora ary nizaha ny zava-nisy. Nosokafana ireo gony tsara fatotra ka rongony nafatratra no hita tao. Nozaraina tamina lasaka maro izany, araka ny fitantaran’ny loharanom-baovao, saingy rehefa natambatra dia nahatratra roa gony sy tapany.

Olona nilaza ho nahita ny tranga sisa no tratran’ireo Polisy teny an-toerana satria tsy hita izay nalehan’ireo roalahy voalaza fa niandry ny figadonan’ireo entana. Andian’olona nitono-tena ho vavolombelona no hany nitantara ny antsipirihany sy ny momba ilay kamiao nitatitra ireo rongony tamin’ny mpitandro ny filaminana.

“Orinasa tsy miankina lehibe eto Antananarivo no voalazan’ireo nanatri-maso fa nitondra ireo lasaka feno rongony ireo. Eo am-pikarohana ilay fiarakodia sy ireo roalahy hitan’ny olona teny amin’ny manodidina izahay ankehitriny”, araka ny fanazavan’ny Polisy.

P.R

1 commentaire

  1. Pingback: c3wm54no7tebcomvvnwecttv54t

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis