TwitterFacebook

AMBOHIDRATRIMO : TRATRA TENY AM-PAKANA VILONA NY IRAY TAMIN’IREO GADRA NITSOAKA TENY ANTANIMORA

Saron’ireo zandary teny Ambohidratrimo i Solofoniaina, iray tamin’ireo voafonja telo, nitsoaka teny Antanimora tamin’ny sabotsy alina. Ireo namany roalahy kosa mbola karohina.

Tsy nahay niafina i Solofoniaina, iray tamin’ireo gadra telo tafaporitsaka teny Antanimora, ny alin’ny sabotsy nanodidina ny tamin’ny 12 ora. Tra-tehak’ireo zandary miadidy ny fitandroana ny fandriampahalemana teny Ambohidratrimo teo am-pakana vilona mantsy izy, omaly maraina tamin’ny 7 ora.

“Antso an-tariby alina (afak’omaly) avy amin’ny mponina eny Ambohidratrimo no nanombohana ny fisafoana nanerana ny tanàna. Efa nifampilaza tamin’ireo fokonolona mialoha ny amin’ny tokony hiantsoana raha misy vahiny mampiahiahy”, hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny commandant Andrianarisaona Herilalatina, tomponandraikitry ny seraseran’ny Zandarimariam-pirenena.

Voalaza fa niafina tany amin’ny raibeny ity voafonja ity. Saingy voatery tsy maintsy nandray anjara tamin’ny raharaha fanao amin’ny andavanandro ka izao noraisim-potsiny izao. Avy hatrany moa dia nosamborin’ireo mpitandro ny filaminana i Solofoniaina, na dia tsy mbola nahazo ny sariny avy eny amin’ny sampandraharahan’ny fonja aza ny zandary. Niaiky fa isan’ireo voafonja nitsoaka izy anefa, ary voamarina izany taorian’ny fanamarinana teny Antanimora. Fantatra àry fa fanadihadiana ihany no atao amin’ireo fianakaviany, nampiantrano azy, araka ny voalazan’ny lalàna.

Mitohy ny fikarohana

Ity gadra nitsoaka ity dia voarohirohy ho nanao fanolanana sy nangalatra. Ny roa tamin’ireo tafaporitsaka teny Antanimora kosa dia mbola ataon’ny mpitandro ny filaminana savahao. Marihina fa ny iray amin’ireto farany ilay voatondro ho nanao vola sandoka ka voaheloka higadra mandra-pahafatiny, ary ilay lehilahy iray, 26 taona kosa, nanomo nahafaty olona no sady nangalatra ka tokony hisazy 15 taona an-tranomaizina.
Tsiahivina fa tamin’ny misasak’alin’ny sabotsy izy telolahy ireo no nanan-kevitra ny hitsoaka tao am-ponja. Nampifatohizin’izy ireo ny lamba firakotra sy fitafy nananany ka nahafahany nidina teo amin’ny varavarakely ary nitsambikina teny amin’ny tambohon’ny fonja.

FONJAN’I TSIAFAHY
TSY MBOLA HITA NY EFATRA TAMIN’IREO DIMY NITSOAKA
Tamin’ny faramparan’ny taona 2016 moa no efa nisy gadra dimy ihany koa tafaporitsaka teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Iray tamin’izy ireo ihany no voasambotra ny volana desambra teo. Hatramin’izao anefa tsy mbola nandresam-baovao ny momba ireo hafa izay miriaria eny anivon’ny fiaraha-monina. Tsiahivina fa tamin’ny alalan’ny fandoahana tonelina no nahafahan’izy ireo nitsoaka ny fonja.

Prisca Ranjalahy

1 commentaire

  1. borvestinkral Repondre

    Somebody necessarily help to make significantly articles I might state. That is the first time I frequented your website page and so far? I surprised with the analysis you made to make this particular publish extraordinary. Excellent process!

    http://www.borvestinkral.com/

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis