TwitterFacebook

AMBOANJOBE : ZANDARY VOALAZA HO MARARY SAINA NOSAMBORINA TANY AMBOANJOBE

Zandary “adjudant chef” voalaza fa tratran’ny aretin-tsaina no nanaovan’ireo namany bemidina teny Amboanjobe afak’omaly. Ireo mpifanolo-bodirindrina aminy kosa anefa nilaza fa vokatry ny antso vonjin’ny vadiny izany, saingy tsy nanaiky nananamarina izany ny seraseran’ny Zandarimariam-pirenena.

Afak’omaly tolakandro no nisiana andiana zandary tonga tany Amboanjobe, kaominina ambanivohitra Bongatsara, nisambotra ny “adjudant chef” namany. Rehefa nofotorina ny tomponandarikitra avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia nilaza fa manana tsy fahatomombanana ara-tsaina ity olon’izy ireo ity, ka tsy maintsy nandraisana andraikitra.

“Olona tsy tompon’ny tenany no novantanina tany an-tokantranony, saingy tsy nandray zava-pisotro mahamamo. Ireo mpiara-miasa aminy tao Ankadilalana ihany no nanao rodobe naka azy tany an-toerana”, hoy ny valinteny voaray avy amin’ny serasera ny zandary.

Mponina teo an-tanàna iray moa no nandrenesana fa niantso vonjy ny vadiny ny marainan’io andro talata io. Nisy ireo nilaza fa adin’ny mpivady no niseho ka mety ho nisy ny fikasihan-tànana nandritra izany, saingy nilaza ho tsy naharay fitoriana mahakasika izany moa ny zandary. Voalaza indray etsy an-daniny fa fanapahan-kevitra avy ao Ankadilalana no nanaovana fangatahana tao amin’ny borigadin’ny zandary tao Andoharanofotsy mba nahafahana nidina ifotony naka azy. Hatramin’ny omaly hariva araka izany dia nilaza ho tsy nahafantatra ny fisiana fitoriana ny Zandarimariam-pirenena.

Mifamahofaho

Maro ihany anefa ny resaka tsy mifandraika ary mampanjavozavo ity raharaha ity. Ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mantsy nilaza ho tsy nahafantatra izay nitondrana ilay “adjudant chef” voatondro ho marary saina. Raha toa ka nandika lalàna mantsy izy dia ao amin’ny “violon” Andoharanofotsy no anaovana fanadihadiana, saingy raha marary saina kosa dia any amin’ny toeram-pitsaboana no tsy maintsy tànana.

“Tsy mbola nahazo antsipirihany mahakasika izay nitondrana azy aho”, hoy anefa ny tomponandraikitry ny serasera avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
Marihina fa ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia anisan’ireo nilaza ampahibemaso ho tsy mihambahamba hanasazy raha toa mahita fandikan-dalàna eo amin’ny olon’izy ireo.

Lucia Rasoa

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*