TwitterFacebook

ALAROBIA : NATAON’IREO JIOLAHY VARO-BOBA IREO ENTANA NANGALARINA

May ny hendim-boanjon’ireo mpamaky trano ka nataony varo-boba ireo entana halatra. Izany no nitranga teny Alarobia Amboniloha afak’omaly. Solosaina azo enti-tànana iray no namidin’ireo jiolahy 1 hetsy ariary monja tamin’ny mpiray vodirindrina tamin’ilay tompon’ny trano vaky, afak’omaly.

“Teto an-tanàna ihany no namarotan’izy ireo ilay entana. Ary olona akaiky no nahavita izany”, araka ny tatitr’ilay tompon-trano tamin’ny mpitandro ny filaminana.

Voalaza fa andro iray talohan’io no tsy nisy olona tao an-trano ary nanararotra izany ireo olon-dratsy. Nopitsohin’izy ireo ny varavarana ary niditra an-tsokosoko tao amin’ilay trano ireo jiolahy. Solosaina sy finday raitra no fantatra fa nofaohan’izy ireo. Tsy niandry ela anefa ireo mpamaky trano ireo fa namadika haingana ireo entana halatra ho vola teny amin’ny manodidina. Tsy nihoatra ny 24 ora anefa dia sarona niery tany an-tranon’olona ireo efadahy voatondro ho tompon’antoka tamin’ilay halatra. Ilay olona nividy halatra ihany koa anefa dia voatery namerin’entana. Voalaza fa niampy andriambavilanitra ireo jiolahy ireo. Io vehivavy io izay notondroin’ny Polisy ho mpampiantrano ireo mpamaky trano ireo rehefa eo am-panomanana ny asa ratsiny no sady mifoka zava-mahadomelina izy ireo. Na izany aza dia fantatra fa izy efadahy ihany no nidoboka am-ponja vonjimaika fa ilay vehivavy kosa nahazo fahafahana.

P.R

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*