TwitterFacebook

ALAROBIA-MORARANO : FATIN-DEHILAHY HITA NITSINGEVANA TAO ANATY TSIKAFONA

Renim-pianakaviana handeha hiasa no nahita razana natsingevan’ny rano teny Morarano Alarobia, omaly maraina. Lehilahy manodidina ny 40 taona, mainty fihodirana ary tahaka ny efa nilon-drano aman’andro no navoakan’ny fokonolona tao anaty ranom-potaka, rehefa niantso vonjy ilay vehivavy. Taorian’izay vao tonga nizaha ny loza ny mpamonjy voina niaraka tamin’ny mpitsabo avy eo anivon’ny Birao misahana ny fahadiovana (BMH). Nilaza moa ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany fa tsy mponina eny amin’ny manodidina ity lehilahy maty ity. Tsy fantatra ihany koa raha matin’aretina na nisy namono ity farany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*