TwitterFacebook

Categorie: Fiainam-pirenena

FIFAMPITIFIRANA TENY ANOSIVAVAKA : ROALAHY ROTIKY NY BALAN’NY POLISY

Nifanandrina teny afovoan’arabe sy tany anaty tanàna ireo jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana teny Ambohimanarina, omaly tolakandro. Roa tamin’ireo voalaza ho olon-dratsy no lavon’ny bala. Nirefodrefotra ny basy. Andian-jiolahy nirongo basy no nifandramatra tamina andiana mpitandro ny filaminana nanoloana ny tranombarotra mpamokatra mofo eny Anosivavaka Ambohimanarina, omaly nanodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany…

Lire la suite

VAKY TRANO TENY SOAVIMASOANDRO : FINDAY IHANY NO NOFAOHAN’IREO JIOLAHY TAMINA TOKANTRANO MARO

Hafakely. Tokantrano am-polony no lasibatry ny vaky trano teny amin’ny faritra Soavimasoandro, ka ireo finday ihany no nangalarin’ireo olon-dratsy, tao anatin’ny iray volana katroka. Voaporofo tamin’ireo fitarainana voarain’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo izany, araka ny tatitra voaray avy amin’ny loharanom-baovao eo anivon’ny Polisim-pirenena. “Nanomboka ny tapaky ny volana jolay no naharaisanay fitarainana momba ny famakiana trano…

Lire la suite

IAVOLOHA : NARATRA MAFY ILAY MPITONDRA “MOTO” NIFANEHITRA TAMIN’NY “SPRINTER”

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Iavoloha ny talata teo. Mpitondra “moto” iray no naratra mafy ary voatery nentina teny amin’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona. Fiarakodia “Sprinter” hianatsimo no nifandona tamin’ilay “moto” ka nipitika, niala metatra vitsy tamin’ilay toerana nitrangan’ny loza mihitsy ilay nitondra azy. Mbola notazomina tao amin’ny borigadin’ny zandarimarian’Andoharanofotsy moa hatramin’ny omaly ilay mpamily “Sprinter”.…

Lire la suite