TwitterFacebook

Categorie: MALAGASY

HALATRA FIARAKODIA : «MINIBUS» VERY TENY 67 Ha HITA TANY MANAKARA

Hateloana monja no nahafahan’ireo olon-dratsy nitondra ilay fiarakodia nitsoaka niala an-jatony kilometatra lavitra an’Antananarivo. Fiarakodia “minibus Toyota” iray, izay napetraky ny tompony hamidy teny amin’ny fiantsonan’ireo fiarakodia no nofaohan’olona. Roalahy nilaza fa liana tamin’ity fiara ity no nijery farany izany niaraka tamin’ny tompony. Ny ampitso anefa dia nanao fitoriana teny amin’ny polisy ity farany fa…

Lire la suite

FIVADIHANA KAMIAO : 9 NO MATY ARY 24 NARATRA TANY BEZAHA

Kamiaobe iray no nivadika tany anaty hantsana teo am-piakaran-dàlana tao Beala, kaominin’i Bezaha, any Betioky Atsimo. Mpandeha nahatratra 9 no maty tsy tra-drano ary 24 kosa naratra mafy Faty olona nikararana no vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana tao Beala, tanàna iray miala 15 kilaometatra ny kaominina Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo. Kamiao nitatitra entana sy mpivarotra no nifatratra tany…

Lire la suite

FONJAN’ANTALAHA : ROA NO MATY NANDRITRA NY FIFANJEVOAN’IREO GADRA

Tao amin’ny fonjan’Ambatoratsy, distrikan’Antalaha, no nisehoan’ny korontana, afak’omaly antoandro nanodidina ny tamin’ny 11 ora sy sasany. Nampitain’ny avy eo anivon’ny Zandarimaria fa gadra nahatratra 15 lahy no nanomana fitsoahana ny fonja ary efa nametrapetraka ny paikady tokony hiatrehana izany. “Tetikadin’izy ireo ny nanaovana takalon’aina ny iray tamin’ireo mpiandry fonja mba hanomezana fahafahana azy ireo hivoaka.…

Lire la suite