TwitterFacebook

Categorie: MALAGASY

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : TSY MANKASITRAKA KORONTANA IREO SEFOM-POKONTANY 192 ISA

Niombo-kevitra amin’ny fitsipahana famoriam-bahoaka mety hiteraka savorovoro ireo filoham-pokontany rehetra mandrafitra an’Antananarivo renivohitra, omaly. Nanentana ny vahoaka izy ireo araka izany mba hitandro ny ainy sy ny fananany amin’ny alalan’ny fijanonana any an-tokantranony avy fa tsy hikorontana eny Analakely Namoaka fanambarana taorian’ny dinidinika nifanaovan’izy ireo teny Antanimena ireo filoham-pokontany 192 isa mandrafitra an’Antananarivo renivohitra, omaly…

Lire la suite

MANDRAKA : FIARA VAVENTY NITSORAKA TANY ANATY HANTSANA

Torimaso fotsy. Izany no vokatry ny fanadihadiana nataon’ireo Zandary ho anton’ilay lozam-piarakodia mahatsiravina, teny Mandraka, omaly maraina tamin’ny 2 ora sy sasany. Fiara vaventy nitondra “conteneur” mantsy no avy hatrany dia nanao hitsin-dàlana teo amin’ilay fiolanana “S” teo Mandraka ka olona 2 no maty tsy tra-drano. “Avy hatrany dia nitsotsorika avy any ambony ilay kamiao…

Lire la suite

TRIBONALY : NIDOBOKA AM-PONJA IREO TOVOLAHY TSY AMPY TAONA TRATRA NANENDAKA

Tamin’ny alakamisy no nalefa nisazy vonjimaika eny Antanimora ireo tovolahy 17 taona voatondro ho nanendaka olona teny Masay, tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Lehilahy nirava avy niasa mantsy no norobain’izy telolahy ireo ka lasany avokoa ny vola sy ny entana ary ny finday teny aminy. Niantso vonjy moa ity tra-doza ka niara-nanejika ireo olon-dratsy ireo ny…

Lire la suite