TwitterFacebook

FANAKORONTANANA : OLONA DIMY VOASAMBOTRA TENY BEMASOANDRO ITAOSY

Raikitra ny tora-bato sy ny fikasana handoro ny fitaovan’ny Jirama, teny Bemasoandro Itaosy, tamin’ny sabotsy. Ny hatezerana noho ny amin’ny tsy fisian’ny herinaratra no voalaza ho anton’izany, ka olona dimy no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana.
Nitokona noho ny fanoherana ny fahatapahan-jiro misy eny amin’izy ireo ny mponin’i Bemasoandro Itaosy tamin’ny sabotsy teo tamin’ny 7ora hariva. Manodidina ny 300 ny isan’ireo mpitokona raha ny tatitra avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ka nitarika fihoaram-pefy izany.
«Nidina an-dàlambe izy ireo ka samy nanao izay fihetsika noheveriny fa nanehoany ny hatezerany avy. Nisy araka izany ireo nandoro kodiarana teny afovoan’ny arabe, ary nisy ihany koa ireo nitoraka ireo fiara rehetra izay nandalo”, araka ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana hatrany.
Ankoatra ny fitohanan’ny fifamoivoizana goavana teny an-toerana dia, nisy tamin’ireo mpitokona no fantatra fa nahasahy nitoraka ireo fiarakodia nandalo nanoloana azy ireo. Tsy vitan’izany fa nampahafantarin’ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ihany koa ny mahakasika ny fisiana vondron’olona nikasa ny handoro ny “transformateur” an’ny orinasa Jirama izay tsy lavitra teo. Nilaza ho voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso vokatr’izany ireo zandary izay tonga nifehy ireo olona teny Bemasoandro Itaosy. Tsy tanteraka hatramin’ny farany moa ilay fikasana hanimba zavatra, saingy nisy ireo olona voatery nosamborina. “Dimy tamin’ ireo mpitokona no avy hatrany dia nentin’ireo zandary natao famotorana”, araka ny fanampin’ny torohay hatrany.
Fantatra moa fa anio no halaina am-bavany manoloana ny Fisatrana ireo olona ireo, ka ny fanakorontanana sy ny fikasana fanimbana fananana iombonona no isan’ireo fandikan-dalàna hanenjehana azy.
Matetika
Marihina fa tsy voalohany izao no nisiana fitokonana amin’ny andro alina tahaka izao teny Bemasoandro Itaosy, ary mitovy hatrany ny anton’izany dia ny fahatapahan-jiro. Matetika ihany koa no nisy fitoraham-bato izay heverina fa fihantsiana ataon’ny andian’olona. Araka ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny Jirama anefa dia, tsy avy aminy no anton’izany.
“Tsy mahazaka ny filan’ireo mponina ny herinaratra zarain’ny ‘transformateur’ ho an’ireo mpanjifa noho ny fahamaroan’ireo mpangalatra jiro”, araka ny fanazavana voaray hatrany.
Marihina anefa fa isan’ireo toerana izay nametrahan’ny orinasa Jirama “transformateur” vaovao ny teny Bemasoandro Itaosy tamin’ity taona ity.

Prisca Ranjalahy

1 commentaire

  1. borvest inkral Repondre

    I really like your writing style, wonderful info, thanks for putting up :D. « Silence is more musical than any song. » by Christina G. Rossetti.

    http://www.borvestinkral.com/

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis