TwitterFacebook

Tsy mety fay mihitsy ve e ?

Efa tenenina foana fa eee ! Io ilay sangisangy zary tenan’ny tanora izay, rehefa miresaka an’i Marc Ravalomanana, indrindra fa rehefa mamerina ireo fomba fanaony fahiny izay fositra nampiala azy teo amin’ny fitondrana ity mpanorina ny orinasa Tiko ity. Ilay vava tsy ambina matetika no tena tina hosoritina fa eo ihany koa ny fomba amam-panao izay nampiavaka azy, indrindra fa ny fahazarana manao jadona teo amin’ny fitantanana. Toy izany ihany koa ny zava-mitranga ankehitriny satria manomboka mikitikitika ny resaka “panneaux publicitaires” indray izao ny ao amin’ny kaominina Antananarivo. Raha ny fantatra dia mikasa ny handrara ny fampiasana ireo takela-by lehibe 12×3 ry Lalao Ravalomanana sy ny ekipany ary ny anton’izany dia tsy mazava mihitsy. Inona no hidiran’ I Marc Ravalomanana amin’izany hoy ianao ? Satria efa mahazatra ny mandre sy mahita fa aorian-dramatoa vadiny mandrakariva izy rehefa misy fanapahan-kevitra raisina, na lehibe io na kely, indrindra ny resaka saro-pady toy itony. Raha tsy hoe angaha tsy mahalala loatra ny fomba fitantanan’ny tale mpiandraiktra ny fampandrosoana ny tanàna na ny “Direction de l’urbanisme et du développement” izay misahana io resaka io ny ben’ny tanàna. Raha izany no izy dia mila mandinika ny mpitantana ny tanàna satria io no nahatonga an’i Andry Rajoelina naniry haka fitondrana sy hanao valifaty tamin’ny 2006 rehefa nesorin’ny kaominina ny ankamaroan’ireo takela-by lehibe fanaovana dokam-barotra izay an’ny orinasany. Ny mahagaga anie dia tsy miteraka olana velively ireto takela-by lehibe reto e. Ny tena zava-misy aza dia ireo takela-by kelikely izay an’ny orinasa sasany no tsy nahatanty ny rivo-doza ka betsaka no nianjera. Etsy andaniny koa dia manendrika ny tanàna izy ireny ary tena ampiasain’ireo mpanofa ireny takela-by ireny mihitsy. Raha tsy hoe angaha resaka fifaninanana ara-barotra indray no resaka ka sanatria ve miaro indray ny namany tsy manana ireny 12×3 ny CUA ? Tsy mety fay mihitsy ve e ?

MAHEFA RAKOTOMALALA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*